Dépêches

Fampianarana : Hampiroboroboana ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana

Dépêche 16 février, 13h30, Anisan’ny mampitombo sy mampivelatra ny sain’ny ankizy sy ny mpiantra rehetra ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana ka izany indrindra no antony hampiroboroboana ity sehatra iray ity. Efa haverina tsikelikely amin’izao fotoana izao ireo hetsika ara-panatanjahantena isaky ny sekoly, ao ihany koa ireo hetsika ara-kolontsaina isan-karazany izay handraisan’ny sekoly anjara mavitrika. Entanina araka izany ny sekoly tsirairay avy hampitombo ny ezaka amin’ireny hetsika ireny, na izany ara-panatanjahantena, na ara-kolontsaina, na ara-pitaizana amin’ny fomba maro samihafa.

Laisser un commentaire