Tsena Mora : Nisitraka izany ny mponina tao Mandrosoa Ilafy
Mitohy hatrany ny Tsena Mora ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nizotra am-pilaminana tsara ny Tsena mora tao amin’ny fokontany Mandrosoa omaly.
« Nilamina tsara ny tsena mora teto Mandrosoa. Voahaja hatrany ireo vidiny efa napetraky ny Ministera. Jifaina 1 000 Ariary ny iray kilao amin’ny vary ary ferana 5 kilao isan-tokantrano » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena aleo milahatra sy manenjika amin’ny tsena mora sitrany ahay. Tena misy elanelany be mihitsy ny vidin’entana ami’ny tsena mora sy eny amin’ny mpivarotra tsotra » hoy i Vero, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Tetik’asan’ny fanjakana ho entina hanampiana ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana tokoa ny tsena mora. Efa saika nisitraka izany avokoa ny fokontany teto Ankadikely Ilafy. Mbola mitohy hatrany izany raha ny eto amin’ny kaominina manokana.
Nicole Rafalimananjara
