Kaominina Ankaraobato : Nisitraka fiofanana ireo mpandraharaha
Nanome fiofanana ho an’ ireo mpandraharaha madinika ny teo anivon’ny « Madagascar Entreprises Développement » na ny MED. Fiofanana izay nisehatra manokana tamin’ny fanampiana ireo olona izay tia mandraharaha mba hananana antom-pivelomana mahomby sy mampidi-bola kokoa. Marihina moa fa natokana ho an’ireo efa manana asa tena ny fiofanana.
Tari-dalàna ho an’ny mpandraharahara madinika ny fanomezana fiofanana toy izao. Fotoana iray izay tokony hararaotina mba hampitoboana ny fahalalana izay efa ananan’ny olona tsirairay tsirairay amin’ny resaka fandraharahana ity. « Raha tsiahivina ny tanjon’ny fiofanana dia ny hananan’ny olona asa mivoatra sy maharitra ary mahavelona. », arakan’ny fanazavana teo anivon’ny MED.
Tombony lehibe ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Ankaraobato izao fiofanana izao. Indrindra moa fa ho an’ireo mbola tsy manana fahalalana feno ahafahan’ny misehtra bebekokoa amin’ny resaka fandraharahana izany. « Isaorana ny teo anivon’ny MED nanome izao fiofanan izao fa anisan’ny ampinga ho entinay ampiasaina amin’ny asanay izao fiofanana izao » hoy ireo mpisitraka ny fiofanana.
Betsaka ireo olona no mbola tsy mahafantatra tsara ny mety ho hita ao amin’izany sehatra fandraharahana izany . Zava-dehibe noho izany ny fanomezana fiofanana toy izao , indrindra moa fa ho an’ny mpandraharaha vao manomboka. Betsaka kosa anefa ny olona efa manana traikefa amin’izany ka izany no antony hifanantonana mba hizarana anizany traikefa izany.
Erwan RAN
