ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitady olona hanao asana polisy kaominaly ny kaominina

Manome sehetra ireo tanora eo amin’ny lafin’ny tolotr’asa amin‘izao fotoana izao ny kaominina Ambohimangakely. Mitady ireo tanora lehilahy, manomboka 28 taona ka hatramin’ny 35 ny kaominina, hanao asana polisy kaominaly ao an-toerana.

“Lehilahy tomady, salama vatana sy ara-tsaina, mahavita dia an-tongotra lavitra ary mahay mifandray aman’olona no fepetra takiana amin’ity asa iray. Tsy mitady mari-pahaizana be ihany koa fa ny fahazoatoana sy ny fahaizana mifehy ny asa no tena zava-dehibe” hoy I Haja, polisy kaominaly.

“Misy ireo antontan-taratasy ilaina fikarakarana ho an’ireo izay liana amin’izao tolotr’asa ato amin’ny kaominina Ambohimangakely izao, izay hatramin’ny 25 Novambra izao no fara-fandraisana izany. Ny sabotsy kosa no hanatanterahana  ny adina fifantenana ary arahana fiofanana izany ho an’ireo izay voaray” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

Anisan’ny manampy amin’ny fandaminana ireo sehatra misy ao anatin’ny kaominina ny polisy kaominaly, toy ny eo amin’ny lafin’ny fandaminana ny tsena, ny fiara mivezivezy sy ny fitateram-bahoaka ary ny maro hafa. Miandraikitra adidy goavana ho fandaminana ireo mponina araka izany izy ireo ka tokony tohanana hatrany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire