Ilaina ny fampisongadinana ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena
Tokony ho reharehan’ny Malagasy ny fananana vokatra malagasy. Tsy mbola misongadina firy eto amin’ny firenena anefa izany. Ny fanadihadihana nataon’ny mpahay toe-karena iray no nilaza fa tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifana ny vita Malagasy eto amitsika. Mbola saika miroana any amin’ny vokatra avy any ivelany avokoa ny fanjifana ataon’ny Malagasy ankehitriny. Teboka iray takian’ny fanarenam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toekarena anefa ny fahafahana mamaritra ny sehatry ny fanjifana. Ombieny, ombieny, nisy hatrany ny fanentanana ny mpanjifa mba hividy ny vokatra Malagasy. Zava-dehibe io satria raha tsy misy ny mpanjif any vokatra sy ny vita Malagasy, tsy hita mihitsy ny firoboroboan’ny orinasa Malagasy na ny lafiny indostrialy na ny asa an-tanana. Mazava ho azy, fa na ny sehatra iraisam-pirenena aza tsy manddray ny vokatra avy eto amitsika raha toa ka isika eto an-toerana aza tsy manome lanja akory ny antsika. Hita anefa fa tsy vitsy kosa ireo firenena mitaky vokatra avy eto amitsika, ary izay indrindra no tokony hanararaotantsika hampisongadinana ny vita Malagasy. Mitondra fahombiazana goavana ara- ekonomika ny fampiharana io fampisongadinana ny vita Malagasy io.
Fanilo Rarivoarilala
