ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny fiaraha-mientana ho fikojana ny zaridainan’ny Rond-point Mandikanamana

Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny kaominina sy ireo fikambanana misahana ny fahadiovana sy fidiovana ao amin’ny kaominina, tamin’ny faran’ny herinandro teo. tontosa nandritra izany ny asa fikojakojana ny zaridainan’ny rond-point ao Mandikanamana.

« Anisan’ny taratry ny fampandrosoana ny tanàna ny hetsika tahaka izao. Manome endrika ny tanàna izany, no fitaratra ho an’ny manodidina ihany koa ny fikolokoloana ny tanàna » hoy i Thierry, mponina ao Alasora.

« Tena tsara ny tahaka izao, manome aina ny tontolo no mitondra ny mponina any anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Mba hampaharitra azy ireny dia tsara entanina ny rehetra mba samy hanaja sy ho sarotiny satria napetraka ho taratry ny fivoarana ireny ary ho tarafin’ny fara mandimby » hoy i Léon, mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Manao ny ezaka rehetra ny kaominina amin’ny asa fanamboarana sy fanatsarana ny tanàna. Anisan’izany ny fikolokoloana ny zaridainan’ny tanàna izao. Anisan’ny mahasarika ny maso ary misintona ny olona hanaja ny tontolo ny fandraisana andraikitra toy izao.

Laisser un commentaire