SocialTatitra

Ouganda : Nihena hatramin’ny 45% ny isan’ny liona tao anatin’ny 20 taona

Nihena 45% ny isan’ny liona ao Ouganda tao anatin’ny 20 taona teo ho eo izao. Ny taona 2014, tany ho any amin’ny 493 ny isan’izy ireo, ka lasa 275 ny 2023. Anisan’ny antony nahatonga izany ny ady sy ny fanafaizana ireo bibidia ataon’ny olombelona, noho ity farany anisan’ny mamono olona indrindra, raha ny nambaran’ny ministeran’ny fizahantany sy ny biby any an-toerana. Na izany aza anefa, mahavelombolo ny fahitana ny fitombon’isa eo amin’ny karazam-biby hafa, toy ny Gorille. Ao amin’ny valan-javaboaary Murchison Falls, any avaratra andrefan’ity firenena ity no tena ahitana ireo liona be indrindra (224). Tsy misy afa-tsy 39 isa kosa ny ao amin’ny valan-javaboaary Queen Elizabeth, ireto farany izay liona manana fomba hafa kely sy miavaka ny fomba fiainany. Ireo liona ao an-toerana ireo anefa dia anisan’ny lasibatra amin’ny fanapoizinana.

Laisser un commentaire