SportTatitra

Rome : Nandrombaka ny amboara fanindroany tamin’ny Tennis i Rafael Nadal

Ao anatin’ny faha 57 amin’ny lalao hiaonanan’ny mpilalao tennis roa maneran-tany, raha faha-6 ho an’ny lalao famaranana amin’ny Masters 1 000 tany Rome, nandresy nanoloana an’i Novak Djokovic indray i Rafael Nadal ny alahady 16 may lasa teo. Nandresy tamin’ny isa 7-5, 1-6, 6-3 i Nadal nanoloana an’i Djokovic. Roa herinandro alohan’ny hilalaovany amin’i Roland-Garros izao fandresen’i Nadal izao na dia nampisalasala ihany aza tany am-boalohany ny fandehan’ny raharaha. Efa nihitsana tamin’ny lalao ampahefa-dalana manko izy tany Monte-Carlo raha nifaninana tamin’i Andrey Rublev ary tany Madrid tamin’i Alexander Zverev. Na dia somary sarotra sy mafy taminy aza ity lalao tany Rome ity dia izao nandresy izao ihany noho ny ezaka nataony.

Laisser un commentaire