Egypte : Avy aiza tokoa ny « crème solaire » ?
Voarakitra ao amin’ny « papyrus » ao Egypte fa efa tany amin’ny vanim-potoan’i Egypte antique no nisy ny « crème solaire ». Voarakitra ao amin’io taratasy io fa nampiasa ny « mesdemet » sy ny « khôl » izy ireo (loko mainty fanaony amin’ny maso) ary nampiasa ny menaka « jasmin » sy ny vahona niarovana tamin’ny masoandro. Efa nampiasa izany ihany koa ny olona tany Tibet tamin’io vanim-potoana io ihany. Tara (goudron) sy ahitrahitra indray ny an’izy ireo no nentiny niarovany ny hodiny.Ny taona 1801 vao nahita ny « ultravilolets » i Johann Wilhelm Ritter, mpikaroka tao Allemagne. Mpikaroka hafa taty aoriany tamin’ny taona 1858 kosa no nahita fa nanimba hoditra io taratra io ka ny faran’io taon-jato io ihany izy ireo dia nanamboatra menaka vita tamin’ny kininina niarovana ny hoditra.I Eugène Schueller kosa no olona voalohany nanamboatra ireo « crème solaire » hita eny an-tsena ireny. Izy no namorina ny l’Oréal ary tao izy no nanamboatra ny « crème solaire » voalohany nantsoina hoe « L’ambre solaire », namidy nanomboka ny taona 1936.
