France : Voaeloka am-ponja 18 volana i Alexandre Benalla
Efa herinandro maromaro izay no notsaraina ity mpiasan’ny Elysée teo aloha ity. Antony niampangana azy ny herisetra nataony nandritra ny fihetsiketsehina tamin’ny 1 may 2018. Namoaka valim-pitsarana ny tao amin’ny fitsarana ny herinandro lasa teo fa higadra 18 volana miampy onitra 500 euro izy. Voaheloka nampiasa pasipaoro diplomatika roa ihany koa i Alexandre Benalla tao aorian’ny fandroahana azy. Nampiasaina in-11 nakao Afrique, Maroc ary Bahamas izany raha ny fanazavana.
