SocialTatitra

Mali : Miaramila 11 maty nandrintra ny fanafihana tao Bamako

Miaramila 11 fahafakeliny no maty ary 11 kosa ireo tsy hita popoka taorian’ny fanafihana nataon’ireo vondrona mpampihorohoro djihadistes ny alatsinainy lasa teo, tao avaratra-atsinanana, akaikin’ny sisitanin’i Burkina Faso sy i Niger, hoy ny tafika maliana ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo hatrany. Toy ny amin’ireo faritra sasantsasany ao Niger, isan’ny mitondra faisana amin’ny fanafihana ataon’ireo vondrona mpampihorohoro ny ao Mali hatramin’ny taona 2012. Antapitisany maro no efa maty. Tsy mifidy izany na olon-tsotra na manam-pahefana miaro ny ain’ireo mponina ao an-toerana. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny vondrona iraisampirenena sy ny ONU, saingy vao maika mihitatra tonga hatrany Burkina Faso sy Niger ny asa fampihorohoroana ataon’ireo djihadistes. Efa nisy ny hery velona natsangana entina miady amin’ny asa fampihorohoroana ao an-toerana tamin’ny taona 2020 saingy tsy nahitam-bokany izany. Mbola mikaroka izay fomba ahitana ireo miaramila 11 tsy hita popoka ireo mpitarika ao Bamako hatramin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire