Yémen : Mpivady amerikana voapanga ho nanandrana niditra tao amina vondrona mpampihorohoro
Mpivady amerikana no voapanga ny alakamisy 01 aprily teo raha nanampy vondrona mpampihorohoro ka saika hiditra amina sambo iray andeha ho any Yemen hitondra azy ireo any amin’ny vondrona islamika, hoy ny ministeran’ny lalàna amerikana. Tsy vao sambany no nisian’ny tranga tahaka izao. Ny taona 2019 ihany koa no nahatrarana lehilahy iray saika hiditra tao amin’ny vondrona talibans. Namboraka kosa ireto mpivady ireto rehefa notanana am-bava fa namany ihany ilay tratra io andro io. Manohana tanteraka ny fomba fijerin’ireo vondrona mpampihorohoro ireto mpivady ireto ary izay no isany nanosika azy ireo hiditra amin’ny vondrona islamika. Efa nivonona ny hanampy ara-pitaovana sy ara-bola ireo mpampihorohoro ireto mpivady ireto raha araka ny fampitam-baovao. Raha ny fantatra, tetik’asan’ilay lehilahy efa hatramin’ny ela ny hanampy laharana ireo vondrona mpampihorohoro. Ny volana janoary 2021 kosa izy no nanambady ilay vehivavy vadiny tratra nandritra ny andrana fitsoahana saika ataon’izy ireo. Mety hisazy 20 taona antranomaizina ireto mpivady ireto raha araka ny lalàna amerikana mandrara ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy sy ny fanampiana azy ireo amina asa fampihorohoroana amin’ny lafiny rehetra.
