Antenaina ny fisokafan’ny orinasa Ambatovy indray.
Orinasa goavana mpitrandraka nickel sy cobalt ary hiasa mandritra ny fotoana maharitra eto Madagasikara ny Ambatovy. Anisan’ny orinasa lehibe indrindra ihany koa aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Mikasa ny ho sangany hatrany Ambatovy amin’ny lafiny fahombiazana, fahasalamana sy aroloza, fiarovana ny tontolo iainana ary fandraisana andraikitra ara-tsosialy sady mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ihany koa. Noho ny fihibohana nandritran’ny taona 2020, nisy ny fikatonana teo amin’ity orinasa ity ary olona vitsy kely sisa no notazonina nikojakoja ny fitaovana. Nanomboka ny volana aprily lasa no niatombohan’izany, ary nahitana fidinana ny vidin’ny nickel sy ny cobalt ny volana jona. Marihana fa mahatratra hatrany amin’ny 9 000 ny fitambaran’ny mpiasa rehetra natsahatra nandritra izany. Somary nisedra fahasahiranana ny orinasa satria na teo aza ny tsy fihodinana niasa, nomena karama 75% ireo mpiasa ireo, ary nihena ho 50% izany rehefa nanomboka tsy nihodina intsony ny orinasa. Nisedra olana hatramin’ireo trano fandraisam-bahiny ao Toamasina sy Moramanga. Ankehitriny kosa anefa, hita fa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainanan’ny mponina na dia mbola mitoetra aza ny Coronavirus. Efa maro amin’ny mpiasa vahiny no naverina, ary efa manomanana ny famerenana ny fitrandrahana indray izy ireo amin’ny volana martsa ho avy izao.
Fanilo Rarivoarilala
