Miampita lakana vao tonga any ampianarana.
Misy toerana lavitra sekoly eto Madagasikara. Manahirana ny fivezivezena indraindray satria miampita lakana mihitsy aza ny mpianatra vao mahita sekoly. Betsaka ihany koa anefa ny loza mety hitranga mandritra lalana makany amin’ny toeram-pianarana, hahiana hahazo ireo mpianatra na eny ambony rano na eny amin’ny arabe na aiza na aiza. Tranga tena nampalahelo tokoa ity niseho tany Androhibe kaominina Katsepy ity. Zazalahy mpianatra hamonjy fianarana any amin’ny EPP Androhibe izay mipetraka 5 km miala io toerana io no maty lanin’ny voay teny ambony rano raha iny nandeha lakana hianatra iny. Tsy izy irery anefa no teny ambon’io lakana io fa mpianatra maro hafa fa izy no tany amin’ny farany aoriana ka lanin’ny mamba avy hatrany. 45 minitra taorian’ny loza anefa vao hita ny vata-mangatsikan’ilay zazalahy. 1 km tsy hidiran’Androhibe no nitrangan’izao loza mampalahelo izao. Lazaina ombieny ombieny fa ny ankizy no hoavin’ny firenena. Hoavin’ny firenena kanefa ny toerana hanovozany fahalalana aza manahirana azy ary miatraika hatramin’ny ainy toy izao. Inona ny fepetra raisin’ny tompon’andraikitra aorian’izao ? Eo ny fahasarotana amin’ny fahalaviran-toerana kanefa zaza izy ireo, eo ihany koa ny fiarovana amin’ny loza mety hitranga mandrapahantonga eny amin’ny trano fianarana.
Nicole Rafalimananjara
