SocialTatitra

Japon : Manan-danja ny fahalalam-pomba

Manana ny fitsipika manokana i Japon amin’ny fiainana an-davanandro. Ny fahalalam-pomba, ny fahamaontinana, ny fahadiovana, ny fanajana fotoana ary ny fanajana ny hafa no fototry ny fahalalam-pomba ao Japon.

Amin’ny ankabopeny dia tsy mifampikasoka ny mponina ao an-toerana, tsy mifanoroka na mifandray tanana fa miondrika kely no solon’ny fifampiarahabana.

Ny tanana roa foana no ampiasaina na manolotra na mandray zavatra avy amin’ny olona, na vola aza.

Tsy mandà mivantana ny Japonais matetika, tsy miteny tsia firy ireo fa « Heveriko fa tsy ho tanteraka izany » no asolony azy.

Zava-dehibe ny fahatongavana ara-potoana na ny fahatongavana aloha ao an-toerana.

Fadiana ny mampiasa ny laharana 4 izay mariky ny fahafatesana.

Tsy azo atao ny miteny hoe « tchin tchin » rehefa misotro zava-pisotra fa teny manafin-tohina izany ho azy ireo, « Kenpai » no asolo izany.

Sorohana ihany koa mitsoka labozia na « encens » fa vonoina amin’ny tanana izany.

Eny an-dalana dia tsy mahalala fomba ny mpifankatia mifanoroka, ny olona mifoka sigara, ny misakafo eny am-pandehanana ary mijery ny olona tandrify ny masony.

Eo ampisakafoana kosa dia miteny hoe « itadakimasu » alohan’ny hihinana, midika fisaorana izany. Misy ny fitsipika manokana ho an’ny fampiasa « baguette » toy ny fiazonana izany amin’ny tanana ilany ihany, ny fametrahana izany raha mbola tsy tonga ny sakafo.

Mbola ny fahalalam-pomba tokony arahina rehefa tonga ao Japon eny na amin’ny toerana hafa aza.

Rehefa vita ny asa amin’ny hariva, ka handeha hody, dia tsy manao « veloma » fa atao hoe « niasa mafy daholo isika androany ».

Laisser un commentaire