Andiana mpianatra noraofin’ny polisy
Tokony ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zanany ny ray aman-dreny. Indrindra eo amin’ny lafiny fianarana. Sahirana amin’ny fitadiavana isan’andro ny ankamaroan’izy ireny ka tsy mahavita mijery ny ataon’ny zanany any ampianarana intsony.
Tena ilaina ny fifanakalozana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’izao andro izao hahafahan’izy ireo manoro lalana azy amin’ny tokony hataony. Tanora sy ankizy maro amin’izao no tsy mahalala ny tokony hataony intsony ka miteraka fahasimbana goavana amin’izy ireo izany.Ohatra amin’izany ireto ankizy tratra tetsy faravohitra ireto. Ny sasany amin’izy ireo tratra any anaty toerana filalaovana, toerana filokana. Ny hafa hita mampiaraka sy mirenireny fotsiny amin’ny ora fianarana.Ny polisy avy ao amin’ny “Brigade feminine de proximité” na ny BFP izay miandraikitra ny ankizy sy ny vehivavy no nahatratra azy ireo. Marihina fa ankizy tsy ampy taona daholo izy ireto. Naterina avy hatrany tany amin’ny faritry ny sekoly moa izy ireto.Tokony hamafisina arak’izany ny lalàna mifehy ny sekoly mba tsy hisian’ny gaboraraka sy fihoaram-pefy toy izao. Anjaran’ny sekoly no miantoka ny ain’ny ankizy mba hisorohana ihany koa ny loza.Amin’ny ora fakan-drivotra sy fahabangana (heure creuse ), dia tokony tsy havela hivoaka ny faritry ny sekoly.Tokony ho hentitra mafy ihany koa ny fanjakana amin’ny fandrarana ireo toerana filalaovana sy filokana manodidina ny sekoly.
Fanilo Rarivoarilala
