Politique

Sakana nahazo ireo fiara mpitatitra ny mpitsangatsangan’ny miara-manonja

Na nisy aza ny sakana teny an-dalana dia niroso hatrany ny miara-manonja nanatanteraka ilay fitsangatsanganana tamin’ny Sabotsy lasa teo tany Imerikasinina. Raha fiara 27 no nasaina niverin-dalana vokatry ny tsy fananan’izy ireo taratasy fahazahoan-dalana hihazo an’i By Pass, teo ihany koa ny fisian’ny fitohanana be loatra ka tsy maintsy nisy ny lamina napetrakin’ny manam-pahefana mikasika izay toy ny hoe ireo fiara tokony handeha aloha no alefa.Noho ny tsy fanarahan-dalàna hita tamin’ireo fiara ireo no antony nogiazana azy hoy ny Jereraly Andry Rakotondrazaka, kaomandin’ny zandariamariam-pirenenan’Antananarivo omaly Alatsinainy raha nana ovalan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. Tsy fantatry ny mpamily ary ve ny lalàna mifehy ny fitaterana sa sakana tsotra izao mba tsy hahabetsaka ny olona hanatritra ilay fitsangatsanganana no nisy satria araka ny efa zava-nisy dia natahoran’ny fitondrana hananganana korotana io andro io.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire