Social

Taolagnaro : Mpamily fiara vaventy nanao lozam-pifamoivoizana

Mirongatra mihitsy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fitandremana eny am-pamiliana, mila malina hatrany ny mpamily alohan’ny iaingany. Raha ny tranga omaly izay  nanakaiky iny lalana eny amin’ny “village d’enfants”, lalana mihazo ny Port Ehoala ao Fort Dauphin iny no resahana. “Camion remorque” nitondra “conteneur” no tra-doza vokatry ny fantson-drivotra nitsoaka tamin’ilay kamiao ka nahatonga ny “direction” tsy voafehy intsony. Na dia tsy nisy aza ny aina nahafoy, tokony hanamarina ny fahatomombanan’ny fiara entiny avokoa ny mpamily rehetra na ho aiza na ho aiza mba hisorohana ny loza toy izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire