ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola : Miverina indray hala-botry ao an-toerana

Miverina indray ny hala-botry ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny fiandohan’ny herinandro teo, nisy namaky ny trano fiangonana Advantista ao amin’ny fokontany Ambohimanambola tanàna. Entana maro isan-karazany no very nandritra izany, araka ny voalaza.

“Betsaka ireo entana very nandritra ny fahavakisan’ny fiangonana, toy ny seza plastika miloko volon-davenona miisa sivy, Rideau fotsy manify miisa 10, serviette kely maitso 40 isa, koveta kely 20 isa, lamba latabatra maromaro samihafa loko ary goailaka (lay) manga lehibe. Hangatahana fiaraha-miasa amin’ireo mahalala tanana raha misy nahita na nahatsikaritra ireo entana voatonona mba hampandre ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana” hoy ireo avy amin’ny fiangonana.

“Manjaka indray ny hala-botry ety an-toerana. Hanairana ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, indrindra ny manam-pahefana satria efa tsy mifidy toerana hanaovana asa ratsy ireo mpangalatra. Mitaintaina ihany koa ny mponina manoloana izany ary mandry tsy lavo loha noho ny zava-misy” hoy i Tafita, mponina ao Ambohimanambola.

Manaitra ny tomponandraikitra araka izany ireo mponina mba hihetsika sy handray fepetra manolona izao zava-misy izao. Marihina fa, vao tsy ela no nanatanteraka fidinana ifotony, nampahafantatra ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana ny avy amin’ny zandarimaria ao an-toerana. Mila hampiharina tokoa izy ireny ary ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire