Maurice : RS 62 tapitrisa no omen’ny fankajana ho an’ireo solotenan’ny lalaon’ny nosy
Atleta sy tompon’andraikitra maherin’ny 680 no hisolotena ny nosy Maurice hiatrika ny lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina andiany faha-11 izay hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra. Nisy ny fihanona izay natrehin’ny delegasion’i Maurice sy ny praiminisitra Pravind Jugnauth manoloana izany ny fiandohan’ny herinandro teo izay natao tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena nasionaly tao Côte d’Or.
Nandritra izany dia nitondra teny fampaherezana ny ho an’ireo mpandray anjara praiminisitra. Nilaza ihany koa ity farany nandritra izany fa nanokana fanohanana Rs 62 tapitrisa ho an’ireo solotena ireo ny fanjakana. Nanamafy ny tenany fa isany sehatra manan-danja ho an’ny fitondrana ny fanatanjahantena.
