Kolontsaina : Fantatrao ve Ambohidrabiby ?
Anisan’ireo tendrobohitra roa ambin’ny folo masina eto Imerina ? Tanana iray 15,3 km miala an’Antananarivo renivohitra i Ambohidrabiby. Nanomboka tamin’ny taona 2015 no nasaraka tamin’ny kaominina Talata Volonondry izy ity ka lasa nivadika kaominina iray mahaleo tena. Ny mpanjaka Ralambo no nitondra azy tamin’ny vanim-potoanan’ny faha mpanjaka. Ity mpanjaka ity no fantatra fa nihinana omby voalohany indrindra teto Madagasikara sy nanaparitaka izany.
