Sabotsy Namehana : Sehatra iaraha-misalahy ny fanabeazana
Tsy vitsy ireo ray aman-dreny sahirana amin’ny fampianarana ny zanaka ao Sabotsy Namehana. Ny fahaizana mifampitsinjo eo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny anefa no tena zava-dehibe.
Tena ilaina tokoa mantsy ny fanabeazana ny ankizy mba hialana amin’ny fahabadoana izay sakana tsy mampandroso. Isan’ny tena mampiavaka anay izao ny fitsinjovana ireo ray aman-dreny amin’ny fandoavana ny saram-pianarana. Azo aloa manaraka ny fahafahan’ny ray aman-dreny izany. Ilaina kosa ny miresaka mialoha aty amin’ny tompon’andraikitra hoy i Andriamaromanana Pierre, tompon’ny sekoly iray ao Sabotsy Namehana. « Mila fiezahana sy fanana finoana manoloana ny fanabeazana. Efa miroborobo eto amintsika tokoa mantsy ny rivotra aterakin’ny fanatontoloana » hoy i Faly, mpanabe.
Efa betsaka ny olom-banona nivoaka tao amin’ity sekoly iray ao Sabotsy Namehana ity. Filozofia tsotra miainga amin’ny foto-pisainana Malagasy no hiompanan’ny fanabeazana ao.
Nicole Rafalimananjara
