ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Maro ny mitaraina noho ny tsy fanajana ny toeram-piantsonana ataon’ny fiara fitateram-bahoaka

Anisan’ny mampitaraina ny maro ny fomba fiasan’ireo fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra H, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Tsy manaja ny toeram-piantsonana ireo fiara, araka ny voalaza, fa miodina an-dalana ka tsy tonga any amin’ny faran’ny zotra. Maro ireo mitaraina vokatr’izany, ary mitaky ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.

« Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny kaoperative ny mponina sy ireo mpandeha amin’ireo zotra. Efa ela ireo taxibe no nanao ny ataony, miodina an-dalana, manary an-dalana, tsy tonga any amin’ny farany. Voatery miova fiara indroa ny mpandeha kanefa ny saran-dalana efa lafo » hoy i Nirina, mponina ao Sabotsy Namehana.

« Anjara andraikitry ny kaoperative sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny manara-maso ary mametraka sazy ho an’ireo mpitatitra izay tsy manara-dalàna, tsy manaja ny zon’ny mpandeha. Tsy tokony hiandry ny fitaraina avy amin’ny mpandeha vao handray fepetra » hoy i Gaston, mpamily teo aloha.

Mendrika sazy avy amin’ny kaoperativa ny endrika tsy fanarahan-dalana rehetra ataon’ny mpitatitra. Ilaina ihany koa ny mametraka fitsipika ifampifezana dieny mialoha, ary ampahafantarina ny mpandeha sy ny mpanjifa izany mba ahafahan’izy ireo mitoroka raha sendran’ny tsy fanarahan-dalàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire