Ihorombe: Voaarina soa aman-tsara ireo fotodrafitrasa simba
Dépêche 21 octobre, 14h, Vokatry ny fandalovan’ireo rivo-doza nifanesy tamin’ity taona 2022 ity dia nahitana fahasimbana ny lalam-pirenena faha7 teo amin’ny PK601+000 sy 606+000. Efa vita tanteraka ziany ankehitriny ary efa noraisina vonjilaika ka efa azo ampiasaina tsara. Ny fametahana ny « gabion » eo amin’ny tetezana Ambavakidona PK601+200, sy ny fanamboarana « dalot » izay mirefy 25 metatra eo ampitan’ny biraon’ny CISCO Ihosy ary ny « comblement de brèche » sy fanamboarana lalan-drano eo amin’ny PK 605+010 avy no asa notanterahina tamin’izany. Miezaka hatrany ny Ministera manatsara ireo fotodrafitrasa simba hialana amin’ny fahatapahan-dalana.
