Dépêches

Toetr’andro : Efa nahazo anarana ilay rivo-doza tropikaly vao niforona.

Dépêche 10 février, 13h, Misy andro ratsy niforona ao amin’ny ilany Atsimo Atsinanan’ny Ranomasimbe Indianina ary efa nahazo anarana izany amin’izao fotoana izao dia i Dingani, izay anarana azo avy ao Maurice. Mbola tsy misy ny fanambarana avy amin’ny foibe famantarana ny toetr’andro ato anatin’ny dimy andro manaraka saingy ilaina hatrany ny fahamailoana sy ny fiomanana. Amin’io herinandro hoavy io ity andro ratsy ity no harahina akaiky ny fivoarany raha ny eto Madagasikara manokana. Ankoatra izany dia hafana ny andro mandritra ny telo andro ho avy eto Madagasikara.

Laisser un commentaire