Afrobasket U18 : Tanterahina androany ampahefa-dalana
10 Aogositra, 13h30, Taorian’ny fandresena roa sy ny faharesena iray azon’ny ekipa Ankoay Malagasy, tafiditra laharaana faharoa ao amin’ny vondrona A misy azy ny ekipam-pirenena malagasy. I Guinée kosa tafiditra laharana faha-3 ao amin’ny vondrona B, izay hifanandrina amin’ny Malagasy mandritra ny lalao ampahefadalana amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja basketball.
Anio 10 aogositra, manomboka amin’ny 05 ora sy sasany ariva, eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena, no hifandonan’ny Ankoain’i Madagasikara lehilahy amin’ny Guinée.
Amin’ny 03 ora kosa ny hifandonan’ny Ankoay vehivavy amin’i Tanzanie, any Antsirabe.
