Fandraharahana : Manohana ny orinasa rehetra ao amin’ny aritra Anosy ny ACPE
Manohana iny faritra amin’ny ilany Atsimo iny dia ny faritra Anosy izany ny ACPE. Amin’ny alalan’ny fanohanana ireo orinasa rehetra ao anatin’ny faritra no hanatanterahana izany hetsika izany. Ny tanjona amin’izany dia ny hahafahana mitantana sy manohana ireo orinasa rehetra ao anatin’ny faritra hivoatra tsy miato anatin’ny fanatanterahana ny asany tsirairay.
« Htaolotra ny orinasa eto Anosy ny teo-tsaina mivoatra hatrany », izany no anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fifanarahana vita sonia niaraka tamin’ny Centre des Affaires régional d’Anosy (CARA). Fototra izay hanampy ireo mpandraharahan’ny faritra ka handrisika sy hampiofana azy ireo amin’ny fivoarana tsy miato ka hahazo vokatra vaovao tsara indray », hoy ny avy ao amin’ny ACPE.
« Tsy ny orinasa rehetra no efa mandroso be. Ny orinasa tsirairay ihany koa anefa samy mikaroka izauy hampandrosoany ny tenany. Tsara ny manararaotra fiofanana sy fiaraha-miasa toy izao hahafahana mampiroborobo ny orinasan’ny tena hatrany. Ilaina foana ny maka traikefa amin’ny olona efa anatin’ilay tontolo hahafahana mivoatra tsy miato », hoy ny mpandraharaha iray avy ao amin’ny Distrikan’ny Batroka.
Ho feno ny programa mandritra ity fiaraha-miasa amin’ny CARA any Anosy io satria ankoatra ny fampiofanana ireo mpisehatra mahakasika ny tsara ho fantatra amin’ny fampivoarana ny orinasa dia eo ihany koa ny fampiofanana ireo orinasa madinika sy ireo mpiasa eo anivon’ny CARA.
Miora Raharisolo
