ActualitésTatitra

Mayotte : Nakatona ny Musical Plage

Nantontosa fitiliana ny rano tao amin’ny Musical Plage ao ao an-tanànan’i Bandrélé masoivohom-paritry ny fahasalamana tao Mayotte. Samihafa tamin’ny valin’ny fitiliana farany nataon’ny ARS ny 12 desambra teo ny valin’io fitiliana io. Fantatra fa nisy karazana mikraoba ny « Entérocoques intestinaux ».

Manoloana ny tranga dia nanapa-kevitra ny tao amin’ny lapan’ny tanana Bandrélé omaly 21 desambra fa ho hakatona ny Musical Plage. Hodiovina ny rano mandritra izany ary hisy ny fitiliana ho atao alohan’ny hanokafana azy indray. Marihana fa toerana be mpitsidika ny Musical Plage indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fety toy izao.

Laisser un commentaire