ActualitésTsidika

Alasora: Ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratam-panambadiana

Tsara ny mahafantatra ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratam-panambadiana, indrindra ho an’ireo tanora na olona tapa-kevitra ny hiroso amin’izany fanambadiana ara-panjakana izany. Nitondra fampatsiahivana momba ireo antontan-taratasy ireo ny avy amin’ny kaominina Alasora.

« Tsara ho fantatra raha te hiroso amin’ny fisorata-panambadiana dia mila koipa latsaky ny telo volana avy amin’ny kaominina nahaterahana ny lahy sy ny vavy. Mila ihany koa ny taratasay fanamarinana ny maha mpitovo. Ankoatra izay ny fanamarinam-pahaterahana an’ny roa tonta ihany koa » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Ankoatra ireo, mila ihany koa ny dika lasitry ny karapanondrom-pirenenan’ny roa tonta sy ny an’ny vavolombelona roa. Ny fahazoan-dalana avy amin’ny trinonaly raha tsy mbola ampy taona no manambady ary farany ny sara-pisoratam-panambadiana » hoy hatrany ny fanazavana.

Ho an’ny kaominina Alasora izay ihany, dia isaky ny talata no fananterana ny antontan-taratasy ho an’ireo te hanatanteraka izany ary aterina 15 mialohan’ny daty hanatanterahana azy izany. Miaraka amin’ny valopy efatra sy hajia moa izany.

Laisser un commentaire