Etats-Unis : Manolotra fanomezana ho an’ireo olona nanao vaksiny
Vonona handresy lahatra ny mponina ao aminy indrindra ny tanora hanao vaksiny ny mpitondra ao Etats-Unis mba hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19. Mbola tena mandripak’olona loatra manerana an’izao tontolo izao mantsy ity tsimok’aretina ity ka ny fanaovam-baksiny no isan’ny vahaolana hiarovana amin’izany ka tokony ho atao laharam-pahamehana. Firenena maro no nanolotra fanomezana ho an’ireo izay mitsindrona ny vaksiny fanefitry ny aretina ary isan’izany i Etats-Unis izay manana tanjona ny hamita ny vaksiny amin’ny 70% ny olon-dehibe mandrapahatongan’ny fetin’ny fahaleovan-tena ny 4 jolay izao. Ireo olona nahavita vakisny any an-toerana araka iznay dia afaka miditra maimaim-poana mandritra ny lalao Baseball miampy sakafo sy zava-pisotro toy ny labiera. Ny firenena hafa aza manolotra vatsim-pianarana mihitsy na lalao hahazahoana iray tapitrisa dolara. Raha ho an’ny Etats-Unis manokana ihany koa, mahazo vola 100$ (Ar 380 000) avy ny olona nanao vaksiny. Ary mbola hisy ny fanomezana hafa ho an’ireo mponina any an-toerana misalasala amin’ny vaksiny rehefa nahavita izany toy ny fanomezana sakafo maimaim-poana aterina any an-trano sy tapakila ho an’ny fiaramanidina mandritra ny iray taona ary mbola betsaka ny ankoatran’izay. Ity volana jona ity no volana natao hiasana amin’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny raha ho an’i Joe Biden saingy ny vaksiny indray no atahorana tsy ahharaka satri araha tokony hahazo fatra 3 tapitrisa isan’andro i Etats-Unis dia lasa 500 000 isan’andro ihany no azony ka tsy maintsy mandresy lahatra amin’ny fatran’ny vaksiny tonga ihany koa izy araka izany. Mety ho azo ampiharina eto Madagasikara ve ity hevitra ity ?
