ActualitésTatitra

Maurice : Mahébourg, tanàna manintona mpizaha tany

Tanàna ao amorontsiraka atsimo atsinanan’i Maurice i Mahébourg. Tanàn-dehiben’ny distrikan’i Grand Port izy izay nisy mponina 15 753 raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2000. Tanàna lehibe indrindra ao amin’ny faritra misy azy i Mahébourg, ary faritra manana toetoetra mahazatra tsy toy ny ao amin’ny faritra misarika mpizahan-tany ao avaratry ny nosy.

Nanantantara nefa io toerana io, tao aminy no nisy ny serana-tsambon’ny nosy talohan’ny nanovan’ny mpanjaka avy ao France izany tao Port-Louis. Tanàna akaiky indrindra ny seram-piaramanidina iraisam-pirenena tokana « Sir-Seewoosagur-Ramgoolam » ao amin’ny nosy ihany koa Mahéburg.

Laisser un commentaire