Faritra Androy : Nisy fanarenana ny ampahany amin’ny RN13
5 Aogositra, 10h 00 Lalana efa tsy nandalovana sy tsy nampiasaina nandritra ny fotoana naharitra no narenina ary efa vita ao amin’ny faritra Androy. Mirefy 15 km io lalana io izay mampitohy ny tampon-tanànan’i Ambovombe Androy sy ny fokontany Ankaramena. Efa azo nampiasaina nanomboka omaly izany.
Hitohy ny asa ary efa mihazo ny kaominin’i Ambohimalaza ireo milina izay hihazo ny kaominin’ny Antanimora Atsimo ary handalo kaominin’ny Beraketa ka hatrany Manakoliva Bekily.
