ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahitam-bokany ny fampatsiahivana mahakasika ny fitateram-bahoaka

Nahitam-bokany ny fampatsiahivana nataon’ny kaominina ao Ambohimangakely, mahakasika ny asa fitaterana ao amin’ny zotra E. Naharay fitarainana ny tomponandraikitra ny talata lasa teo, noho ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra nataon’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ka nampanantsoina azy ireo avy hatrany. Mety hiafara amin’ny fampidirana am-balam-pamonjana miaraka amin’ ny fandoavana lamandy izany aorian’ ny fanadihadiana, araka ny voalaza.

« Manentana hatrany ny vahoaka ny Kaominina hitondra fitarainana raha toa ka sendra ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ ny fiara fitateram-bahoaka.Mampahatsiahy ihany koa fa hisy ato ho ato ny fanaraha maso ireo fiara tsy mametraka ny autocollant « A » na « B » na « Z »” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

« Tsy ireo izay tsy manaja ny bokin’andraikitra ihany no tokony hanaovana fanaraha-maso sy fitarainana. Maro ihany koa amin’ireo fiara mpitatitra ireo no manary an-dalana, izany hoe tsy tonga any amin’ny toeram-piantsonana izy ireo fa mihato eny an-dalana mampidina olona sy mandray vaovao » hoy i Anicet, mponina ao Ambohimangakely.

Rehefa miendrika tsy fanarahan-dalana ataon’ny mpitatitra sy ny mpanampy azy dia afaka hitorohana eny anivon’ny kaominina sy ny mpitandro filaminana avokoa. Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fahasahiana mba hamongorana ny tsy rariny mba hisian’ny filaminana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire