ActualitésTsidika

Alasora: Tanterahana rahampitso ny hetsika fitiliana ara-pahasalamana maimaim-poana

Hisy ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana izay hilitiliana ireo aretina toa ny aretim-po, diabeta, tosi-dra ary ireo vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo. Ho tanterahina rahampitso manomboka amin’ny 09ora maraina izany, ao amin’ny Kianja Maitso Alasora.

“Tonga ny fotoana hanatanterahana ny hetsika ara-pahasalamana izay hanaovana fitiliana maimaim-poana ireo aretina isan-karazany. Araka ny fanentanana efa natao dia antsoina ny rehetra manana olana ara-pahasalamana sy ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo satria natao ho azy ireo indrindra ny hetsika” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Maro ireo aretina mety hiseho amin’ny vatan’olombelona iray amin’izao fotoana izao kanefa noho ny fahasahiranana isan-karazany manoloana ny fiainana andavan’andro dia hadinodino izany fikoloana ny fahasalamana izany. Izany indrindra no hanomezana sehatra ny hetsika tahaka izao, ahafahana manampy ny tsirairay hananana fahasalamana” hoy i Mahandry, mpitsabo.

Ny kaominina Alasora, miaraka amin’ireo fikambanana sy vondrona isan-karazany no miara-miasa manolotra izany hetsika izany. Hisy ihany koa ny fizarana baume sy fangaro enti-misoroka sy hitsaboana aretina ary solon-tsakafo ho an’ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mandritra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire