Alasora: Mitohy ny lalao fifaninanana baolina kitra “tournoi du maire 2023”
Mitohy ny fifaninanana baolina kitra ao amin’ny kaominina Alasora. Lalao tokany ihany no hiseho amin’ity faran’ny herinandro ity ao anatin’ny “tournoi du maire 2023” izay karakarain’ny kaominina.
« Taorian’ny fiaterahana ireo lalao samihafa teto amin’ny kaominina sy teo anivon’ny distrika dia mitohy ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du maire eto amin’ny kaominina. Tahaka ny mahazatra, amin’ny alahady izao no fotoana eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny lalao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« hanomboka amin’ny 09ora maraina ny lalao izay hifanatrehan’ny fokontany Ambodivoanjo sy Amboaroy. Lalao tokana ihany io ka hanasana ny rehetra ho tonga maro hanohana ny ekipantsika » hoy hatrany ny fanazavana.
Mandroso dia mandroso raha ny lafin’ny ara-panatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Alasora. Taratr’izany ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana fifaninanana tahaka izao. Anisan’ny manome lanja ny tanora ihany koa izany.
Manitra R.
