Bhoutan : Firenena ohatra amin’ny ekolojia sy ny fiarovana ny tontolo iainana
Firenena kely ao Asie eo anelanelan’i Inde sy i Chine i Bhoutan, misy mponina eo amin’ny 750 000 eo izy. Firenena tokana eran’izao tontolo izao manana dian-tongotra karbona miiba izy raha ny voalazan’ny National Geographic.Firenena tena ekolojika sy mikajy ny tontolo iainana ry manara-maso akaiky ny fizahan-taniny i Bhoutan. Mandidy ny lalam-panorenan’ity firenena ity fa tsy maintsy voarakotra ala ny 60% ny velaran-taniny. Manoloana izany dia mitroka avo telo heny ny « gaz carbonique » mihoatra ny famokarany ity toerana ity. Feran’izy ireo ihany koa ny mpizahan-taniny amin’ny alalan’ny fampidirana Visa sy fampandoavana vola manodidina ny 200 euros isan’andro azy ireo. Ampiasain’izy ireo amin’ny fampandrosoana maharitra, ny rafi-pampianarana ary ny fananganana foto-drafitrasa nefa izany vola izany.Ela vao nivoatra i Bhoutan, ny taona 60 izy vao nanana ny lalany voalohany ary mikasa ny hanaentana ny mponina amin’ny fampiasana fiara elektrika izy ireo. Ny 80% ny vokatra ao amin’ity toerana ity dia « bio » avokoa ary mikasa ny hampiakatra izany ho 100% izy ireo. Marihina izy no firenena mahavita mamboly azo betsaka indrindra eran-tany ao anatin’iray ora.
