Hawaï : Nosy maniry ny ho maitso 100% amin’ny taona 2045
Ny taona 2015 teo i Hawaï no nandany lalàna mikendry ny gfampiasa angovo azo havaozina 100% ny taona 2045 izao. Fepetra ekolojika izany saingy hitondra akony lehibe ara-toekarena ao aminy noho ny fandorana solika vidiany lafo.Tsy nitsahatra teo nefa ity vondro-nosy ity fa nanolotena tamin’ny tsy fampiasa « carbone » intsony ny volana jona 2018 teo ary vinavinaina ho tontosa amin’io taona 2045 io ihany koa izany. Efa nampiaharin’izy ireo tamin’ny lafiny telo ireo fanampahan-kevitra ireo.Voalohany tamùin’izany ny ara-pitanterana, efa nihezaka nanolo fitanterana sasantsasany tamin’ny fiara « elektrika » sy ny mandeha « hydrogène » izy ireo ary mikasa ny hanova izany tanteraka ny taona 2035 izao. Teo ihany koa ny fampivoarana ny angovo azo havaozina ary ny « stockage éléctrique ».
