Politika : Mila mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana foana na ny Ministra na ny tsy Ministra
Miandry ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena mikasika ny firafitry ny governemanta vaovao ny mpanara-baovao rehetra. Iza no hijanona ? Iza no halàna ? Tsaraina araka ny asany sy ny zava-bitany avy ireo Ministra.
« Tokony hanaiky am-pitoniana ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra ny tsirairay, mikasika ny fanendrena ny mpikambana amin’ny governemanta. Samy nanao ny vitany ireo olom-boatendry tsirairay saingy tsy maintsy misy ny tombana sy ny fanavaozana » hoy ny sekreteram-panjakana ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Gellé Serge.
« Maka lesona amin’ny efa vita ireo Ministra. Miezaka manatsara hatrany raha voatazona hijanona. Mila mandray andraikitra foana ny rehetra na Ministra na tsy Ministra » hoy i Hery, mpianatra Politika eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Tsy natao ho an’ny mpitondra irery ny andraikitra. Manana anjara sy adidy amin’ny fampandrosoana ny fireneny ny olom-pirenena tsirairay. Irariana kosa anefa mba samy hanao ny asany ny tsirairay.
Nicole Rafalimananjara
