Sabotsy Namehana: Noraisin’ny ben’ny tanàna i RASOATANIAINA Hélène
Nisy ny fandraisana an’i RASOATANIAINA Hélène, izay mpandray anjara nisolo tena ny firenena malagasy tamin’ny fihaonam-be iraisam-pirenena mahakasika ny fahasalamana (symposium Liberia 2023), nataon’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny fiandohan’ny herinandro teo.
» Manana ny fahaiza-manaony ary miavaka amin’ny asa ataony ity agent communaitaire ato amin’ny kaominina ity. Mampiavaka azy manokana ny taikefa hananany sy ny fahaizany teo amin’ny fitatanam-bolan’ny PhaGeCom CSBII SABNAM nandritra ny 19 taona izay » hoy ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana.
» Tsy misy izay tsy mahafantatra an’i Rasoataniaina Hélène raha eo amin’ny fahaiza-manao sy ny traikefa eo amin’ny asa sahaniny. Anisan’ny vehivavy mendrika sy filamatra tokoa izy ary mirehareha ny kaominina manana azy » hoy ireo akaiky an’i RASOATANIAINA Hélène.
Anisan’ny kaominina miavaka ary manana olona manana fahaizana manokana sy misongadina amin’ny fahaizana amam-pahalalana ny kaominina Sabotsy Namehana. Miezaka manohana sy manasongadina ireny hatrany ny tomponandraikitra ao an-toerana amin’ny alalan’ny fanomezana lanja azy ireo.
Manitra R.
