ActualitésTatitra

Guinée : Tokana ny kandida niatrika ny fifaninana hidirana ao amin’ny ENAM

Nanao fanambarana ny fitantanan-draharahan’i Labé ny 24 oktobra teo fa kandida tokana tamin’ireo telo nisoratra anarana amin’ny fiatrehana ny fifaninana hidirana ao amin’ny ENAM (École Nationale des Arts et Métiers) ihany no tonga.

Ny alatsinainy 24 Oktobra teo no andro voalohany amin’ny fifaninanana. Tsy nahasakana ny fanatontosana ny fanadinanana ny tsy fahatongavan’ireo kandida roa hafa. Tovolahy antsoina hoe Abdoul Gouddoussy Diallo io olona tokana niatrika ny fanadinana io. Nilaza izy fa tena mahasoa amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fidirana ao amin’ny sekoly mantihanina toy ny ENAM. Niantso ny tanora mitovy azy mbola misalasala izy mba hanaraka fiofanana arak’asa mantihanina, izay tena ilaina amin’ny fampivoarana ny firenena.

Laisser un commentaire