ActualitésTsidika

Alasora: Hikatona ny biraon’ny kaominina ny zoma ho avy izao

Hikatona ny biraon’ny kaominina ao Alasora, ny zoma 28 oktobra izao. Araka ny voalaza, hisy ny fisindana izay hataon’ny mpiasan’ny kaominina sy ireo lehiben’ny fokontany ary ny kartie mobile ao an-toerana mandritra izany, izay efa fanao isan-taona.

“Ao anatin’ny fandaminan-draharaha sy lamin’asa eny anivon’ny kaominina, tsy maintsy misy misy ny fisindana izay hataon’ny tomponandraikitra. Mandritra izany ihany koa no hanaovana fandinihana na jery todika mahakasika ny asa vita sy ny fanatsarana tokony hatao ao anivon’ny kaominina” hoy I Arnold, mpahay fiaraha-monina.

« Tsara ny mitondra fanazavana sy mampahafantatra ny olom-pirenena ireo zava-miseho sy ny antony hanaovana izany ao anatin’ny kaominina, mba hisian’ny mangarahara. Maro ireo vahoaka, mponina mikarakara taratasy na mandraharaha eny anivon’ireo ambaratonga no manana hevi-draikitra, tsy mahafantatra ny dikan’ny fisindana sy ny antony hanaovana izany ho an’ireo tomponandraikitra” hoy I Misa, mpianatra momba ny lalàna.

Anisan’ny miteraka savorovoro sy fahadisoam-pandraisana vaovao eo amin’ny mponina ny tsy fahafantarana. Rariny tokoa raha misy ny fampilazana na fampahafantarana hatao amin’ny mponina mahakasika ny fandaharan-draharaha sy ny lamin’asa ao anatin’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire