Ambatondrazaka: Hahazo hopitaly manara-penitra ny mponina.
Dépêche 26 octobre, 14h, Toy ny faritra rehetra dia hisitraka ny hopitaly manara-penitra ihany koa ny mponina ao Ambatondrazaka. Tsy misy zanak’Ikala hafa ka ny faritra sasany ihany no mahazo izany foto-drafitr’asa ilain’ny mponina izany fa hisitraka izany avokoa ny Malagasy rehetra. Mandeha miandalana anefa izy io fa tsy miaraka mahazo avokoa. Anjaran’ny mponina ao Ambatondrazaka indray izao ankehitriny no misitraka ny fananganana izany ary efa natomboka ny “terrassement” izay hatao ao Ambalabaoka Ambatondrazaka.
