Toe-karena: Mitana ny anjara toerany lehibe ny fiompiana amin’ny toe-karena eto Madagasikara
Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filoham-pirenena ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fiompiana. Ao anatin’ny velirano faha9 izany ary mbola tena manana ny toerany izy raha te hampandroso an’ny Madagasikara ka tsy hatao ambanin-javatra mihitsy. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ilay vina mahakasika ny fahampiana ara-tsakafo izany.
“Tsy maintsy hampitomboana ny fahaiza-manao amin’ny resaka fiompiana mba hanatrarana ny tanjona napetraka tao anatin’ny velirano faha9 dia ny mba hananan’ny Malagasy maro fahampiana ara-tsakafo amin’ny antonony. Izany no anton’izao atrik’asa izao, hitadiavana vahaolana ho an’ny tantsaha mpiompy”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiompiana sy ny Fambolena.
“Raha atrik’asa foana no hatao na fivoriana dia tsy hisy zavatra handroso eto. Mila midina ana-tsehatra mihitsy ka mijery ny olana sy ny vahaolana amin’izany fa ao anaty trano anie tsy mahita ny tena zava-misy marina eh”, hoy i Kanto, tanora mpamboly avy ao Antsirabe.
“Tsara izany ezaka izany, ny resaka sakafo mihitsy no olana ho an’ny vahoaka Malagasy maro amin’izao fotoana izao. Raha te hanatratra ny tanjona dia voalohany indrindra dia ireo tantsaha sy mpiompy ireo mihitsy no ampiana. Io no hahafahana manarina ny toe-karena Malagasy hatramin’ny fotony. Mbola tena azo lazaina ho mbola malalaka i Mdagasikara hahafahana matanteraka ireo tetik’asa ho foronina ireo. Maro ny tanora manana tetik’asa mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana dia tokony henoina ihany koa izy ireny”, hoy ny mpampianatra iray ao amin’ny sampam-pianarana Agronomia, eny Ankatso.
Tsy misy afatsy ny fambolena sy ny fiompiana, maro ny zavatra azo ompiana sy volena mahazaka ny toe-tany isan-karazany eto Madagasikara. Ireo sehatra ireo no tena afaka manarina ny toekarena eto, tsy hatao ambanin-javatra anefa ny sehatra hafa miaraka amin’izany mba hahafahana mameno ny banga sasany.
Miora Raharisolo
