Fifandraisana : 60 taona nifandraisana ara-diplaomatika i Madagasikara sy i Japon
60 Taona izao no nitsangana ny fifandraisana ara-diplaomatika teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy i Japon. Ny febroary 1962 no naharay taratasy avy amin’i Toru Hagirawa, izay masoivohon’i japon voalohany teto Madagasikara, ny filoha Philbert Tsiranana.
« Afaka nitazona tsara ny fifandraisana tao anaty fanajana i Madagasikara sy i Japon nanomboka teo ary hatramin’izao » hoy ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Rajoelina Patrick. « Nahafinaritra hatrany ny fifandraisana. Nahavitana vokatra maro tamin’ny sehatra maro samihafa » hoy ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Yoshihiro Higuchi. « Ahitana tombony sy fifanakalozana maro ny fifandraisana. Firenena maro no efa miara-miasa amintsika eto Madagasikara. Tsy vitsy ireo manohana. Marik’izany fiarahamiasa izany ny fisian’ireny masoivoho maro samihafa eto amintsika ireny » hoy i Finaritra, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Nahitam-pivoarana tokoa ny sehatra nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Japon sy i Madagasikara. Isany tamin’izany ny sehatra fahasalamana, ny varotra, ny famatsiam-bola, ny kolontsaina ary indrindra ny Politika. Hisy ny hetsika ho fankalazana izany 60 taona amin’ity taona 2022 ity.
Nicole Rafalimananjara
