ConseilTsidika

Torohevitra : Ireo tsara ho fantatra mahakasika ny kotomila

Ny kotomila na ny coriandre dia karazana zava-maniry mitondra hanitra fanao amin’ny sakafo. Anisan’ny hahafantaran’ny be sy ny maro azy, ilay fanao amin’ny lasopy sy ny kiendiendy isan-karazany. Anisan’ny mampazoto homana ary misarika ny saina hihinana avy hatrany rehefa maheno ny fofon’ity zava-maniry ity amin’ny sakafo.

Tsara ho fantatra fa anisan’ny mitondra zava-tsoa maro eo amin’ny fahasalamana ny kotomila. Anisan’ny zava-maniry manan-karena vitamina sy singa mineraly izay manampy ny vatana amin’ny fampitomboana hery fiarovana izy ireo ary mandray anjara amin’ny fanavaozana ireo sela ao anatin’ny vatana.

Misy karazany maro ny fomba fihinana kotomila. Misy manao azy ho hanitra amin’ny sahafo. Misy ihany koa ireo mbola mikirakira azy ho lasa ravina maina vao ampiasaina. Ny tombony amin’ny fihinana ny kotomila, raha eo amin’ny fahasalamana fotsiny, mampihena ny rivotra ao amin’ny kibo ity zava-maniry ity ary manamora ny fandevonan-kanina, manala ihany koa ny maloiloy, indrindra ho an’ireo vehivavy bevohoka ary manavao ireo sela antitra ao anatin’ny vatana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire