ActualitésTatitra

Océan Indien : Karazam-biby maro no hita taty amin’ny ranomasimbe indianina

Siantifika maro notarihin’ny Musée Victoria no nanao fikarohana tao amin’ny ranomasina lalin’ny valan-javaboary roa tsy mbola notsidihin’olona mihitsy taty amin’ny ranomasimbe indianina dia Noël sy ny nosy Cocos (Keeling). Nahita karazam-biby mbola tsy fantatry ny siansa mihitsy izy ireo nandritra izany.

Karazana mbola tsy fahita mihitsy ireo hita ireo hoy i Tim O’hara, « conservateur principal des invertébrés marins » ao amin’ny Museum Victoria Research Institute. Nentin’ireo siantifika an-tanety ireo karzana ireo nozahana, nisy karazana amalona izy ireo, karazana « batfish » sy « viperfish » ary karazana « poisson lézard ».

Laisser un commentaire