Ambohimanamola: Nizara fatana ho an’ny mponina ao amin’ny fokontany Ampahimanga ny Association NIAINA sy ny B-Lain Production
Nizara fatana (fatapera tanimanga) ho an’ireo mponina ao amin’ny fokontany Ampahimanga sy ireo mpino amin’ny fiangonana iray ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola ny Association NIAINA sy B-Lain production, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.
“Rehefa nizara sy nitondra fanampiana ho an’ireo ankizy foana teo aloha dia miditra amin’ny fianakaviana indray ny fanampiana amin’izao fotoana izao. Hisaorana feno ny avy amin’ny association Niaina izay niara-niasa hatrany tamin’ny B-Lain production ho fanampiana ny mpiara-belona” hoy I Alain, avy ao amin’ny B-Lain production.
“Feno fisaorana ireo fikambanana sy ireo mpiara-miasa aminy izahay nanome fanomezana tahaka izao. Anisan’ny zava-dehibe aminay tokoa satria ny fiainana amin’izao efa hiaraha-mahalala ny fahasarotany” hoy I Liva, mponina ao Ambohimanambola.
Tsy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy hoy ny fitenintsika malagasy. Zava-dehibe tokoa ny fanomezana fanampiana. Etsy ankilan’izany anefa ilaina ihany koa ary zava-dehibe raha fiaraha-mientana amin’ny fampandraisana andraikitra mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana ho an’ny tsirairay.
Manitra Ramanantsoa
