ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Hisy ny fanaovam-baksiny fiarovana amin’ny covid-19

Mbola tsy foana eto amintsika ny covid-19. Hisy ny fanaovam-baksiny ho fanefitr’izany ho an’ny mponina ao Sabotsy Namehana ny 8, 9, 13, 14 ary 15 jolay izao.

« Eto amin’ny farmasia Namehana no hanatanterahana ny fanaovam-baksiny manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva. Tongava maro manao vaksiny mba ahafahantsika miaro ny tenantsika sy ireo manodidina antsika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Tsara raha miaro tena foana isika. Efa misy rahateo ny vaksiny ahafahantsika miaro tena manoloana ny valan’aretina » hoy i Dokotera Manitra.

Ireo ampy taona manana kara-panondro ihany no afaka manao vaksiny. Efa misy ny karazany maro, izay azo hisafidianana tsara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire