ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Tsy ampy ny fanohanana ireo zokiolona

Anisan’ny manamarika ny fetin’ny faran’ny taona sy ny noely ny fanomezana, indrindra fa ny fanohanana ireo olona marefo eny anivon’ny fokontany. Mitaraina anefa ireo zokiolona avy eny amin’ny fokontany maro, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, fa efa ela no tsy nisitraka fanohanana na fanomezana toy ny solon-tsakafo na solombodiakoho ho an’ny beantitra izy ireo, raha ny voalaza.

“Tena efa ela no tsy nahazo na fanohanana na tosika avy amin’ny tomponandraikitry ny tanàna izahay. Kanefa ny beantitra dia anisan’ny olona marefo, mba mila fanohana sy fanomezan-tanana ihany, sahirana izahay indrindra amin’izao vanim-potoana izao ka izay no angatahana amin’ireo tomponandraikitra” hoy i Louisette, zokiolona.

“Ekena fa maro ireo tetikasa izay sahanin’ny tomponandrikitra, ary miankina  amin’izany ihany koa ny fampandrosoana ny tanàna, fa tokony atao mitovy avokoa ny fikarakarana ny sokajin-taona rehetra, satria ireo beantitra sy zokiolona ireo ihany koa mba manana ny hajany sy ny hasiny” hoy i Mariette, mpivarotra.

Manana ny anjara toerany lehibe ny zokiolana eny anivon’ny fokontany. Mendrika ny tsaroana ary tohanana izy ireny araka izany, indrindra rehefa fotoan’ny fety sy ny taom-baovao.

Laisser un commentaire