ConseilTsidika

Fahasalamana : Inona no mahatonga ny maso ho menamena ?



Anisan’ny mahatonga ny maso menamena ny tsy fahampiana vitamine B2. Betsaka ny tranga fisehony ety ivelany. Isany amin’izany ny mangidihidy maso, misy ranomaso mivoaka matetika. Tsy mahazaka hazavana ihany koa ny maso menamena.

Ny sakafo be vitamine B2 noho izany no tena tsara hohanina. Ny ati-kena, ny atody dia samy betsaka betsaka vitamine B2. Eo ihany koa ny voanjo, amande, champignon, trondro, épinard, laisoa, yaourt, ronono ary ny fromage.

Mety ho tratran’io maso menamena io avokoa ny sokajin-taona rehetra. Tsara hatrany ny mitandrina amin’ny resaka fahasalamana satria aleo misoroka toy izay mitsabo. 

Laisser un commentaire